Ianao Jeso no manasitrana ahy,
Ka tsy hanafenako ny aretiko
Ny indrafonao tsy hay faritana,
No manamaivana ny zioga entiko
Ianao ilay nihombo teo Kalvary,
No anankinako ny fiainako
Ianao mahita ny adin-tsaiko ety,
No antenaiko hampody ny marainako
Tsy avelako Ianao Jesosy ô !
Raha tsy mandray ny tanako
Mba manana an’iza moa aho ?
Inty aho Jeso raha toa ka sitrakao,
Miaraka amin’ny halotoako
Manorina Aminao ny finoako
Na toa ny voatsinampy bitika,
Ka avelanao hiantefa ao am-po
Ny sombin-dranao mba mipitika,
Izay dia efa ampy hanadiovana ahy tokoa
Tsy avelako Ianao Jesosy ô !
Ny fahotan’izay mangeja ahy,
Ka toa mampisaraka ahy Aminao
Dia ivalozako eto anio ry Ray,
Mba ahazoako ny fiainan-baovao
Koa hamasino ho mendrika Anao,
Mba ho voninahitrao ry Ray Tsitoha
Izao fanoloran-tenako izao,
Ampio hahay hifikitra Aminao tokoa
Tsy avelako Ianao Jesosy ô !