Ry havana aman-tsakaiza ô mba mandrenesa
Ny fiainana eto an-tany dia misy fetra
Ry havana aman-tsakaiza ô mba mandrenesa
Ny fiainana eto an-tany dia misy fetra
Nambinin'Andriamanitra ianao ka manam-bola
Dia indro miedinedina ery fa tsy ho tola
Ny laza sy voninahitra no ireharehana
Ny ditra sy ny adalana no indro MAHATAMANA
Andeha isika hanatona ny Tompo
Fa hodioviny avokoa ny loto
Asa misalasala fa hovonjeny
Izay mahasoa rehetra dia omeny
Ao Aminy no misy famonjena
Tsy ny eto an-tany ihany no jerena
Andao handrobaka ny paradisa
Ho fahasambarana ny andro sisa
Ry havana aman-tsakaiza ô mba mihevera
Mandalo sy toy ny zavona izay jerena
Ry havana aman-tsakaiza ô mba mihevera
Mandalo sy toy ny zavona izay jerena
Ny endrika sy ny bika soa izay tompoina
Ho vovoka sy lavenona, ho zava-poana
Ny vola sy ny harena azo dia ho ritra
Ny namana nianteherana, TSY HO HITA
Andeha isika hanatona ...
F'ao Aminy no misy vonjy ] x4
Andeha isika hanatona ...