1. Ny fiasan'ny fivavaky ny marina
Dia mahery indrindra, mahitsy no arahina
Fahotana, ny adalana, sy ny fo maloto
Tsy mahavonjy, tsy mampandroso
Ilay Andriamanitra mahery tsy manavaka e
Antsoy Izy f'ianao dia ho afaka e
Dia ho azonao, ilay valimbavaka e
Ref : Koa mifaneke heloka
Tsy hisy ho meloka, Tsy hisy ho any an-davaka
Andriamanitra mahery, ilay be fitiavana
Izy irery ihany no mpanafaka
Andriamanitra mahery, ilay mpampihavana
Izy irery ihany no ivavahana
2. Koa andeha re, mba hifanome tanana
Ka handala ny atao hoe "fihavanana"
Fahoriana, tsy fisiana, tsy ny fihaviana
No hanovana firahalahiana
Tsy misy marina na iray aza ny eto an-tany
Fa nodiovin'i Jesoa izany
Mba ho vaovao ilay fitafy
Mivavaka ho antsika mpianany