REF: Ny lalanao no ho lalako
Izay sitrakao no faniriako
Tsy ho sasatra aho ny hiantso ny Anaranao
1. Ny andro nomenao ahy, Isaorako Anao
Na fohy na ho lava koa, Isaorako Anao
Na manana aho na ory, Isaorako Anao
2. Raha tojo hafaliana aho, Isaorako Anao
Noho ireo soa nomenao, Isaorako Anao
Ho fahasambarana ho ahy, Isaorako Anao
3. Ny kapoka nomenao, Isaorako Anao
Mbola hanolatra koa, Isaorako Anao
Ho fahatsiarovana ho ahy, Isaorako Anao
4. Fa na lavitra sy sarotra, mideza sesehena
Tsy ho sasatra aho anefa fa mitantana ahy Ianao
Tsy ho kivy tsy ho ketraka, na tsapako mavesatra
Mandrotika aty fo, ny fanarahandia Anao e
Ka ny Hazo fijaliana, ho lanjaiko am-pifaliana
Raha ny ngidim-pahoriana , ho reseko am-pitsikiana
Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »