1. Zavatra mahasondriana,
Fahita ombieny , ombieny :
« Mpivavaka hono ireny e ! »
Ny fiainany andavan’andro
REF: Ny Fiangonana, no fiombonana
K’aza atao filantsy mahita ihany e!
Ny fiarahan-dalana amin’ny Tompo.
Ny Fiangonana no fiombonana,
Ka tsy ho antendro-molotra fotsiny ihany e!
Ny finoana velona hatrizay a!
2. Raha tonga ny andro fety,
Dia hiboka tsy hay dikaina,
Ny fitafy tsy hay lazaina!
Toa tsy mahalala intsony,
Fa nasesiky ny ambom-pony ô!
3. Maro amin’ireo tanora,
Miroso amin’ny fifanekena,
Ho tsofindrano fa fomba izany e!
4. Raha misy manetry tena,
No fanohitra tsara indrindra,
Hampilamina sy hampirindra ô!
5. Ho faranana ny tantara,
Ny mamy ihany no hatelemo,
Tsarovy sy ataovy antsaina.
Volume 2 « NY FIANGONANA NO FIOMBONANA »