Ry Andriamanitra Tompon'izao rehetra izao
Aminao no hanandratanay ny voninahitra
Misandrata ambonin'ny tany sy ny lanitra
Mankalaza Anao e fa tsy misy
Andriamanitra tahaka Anao
Masina Ianao, ka mampitoetra ny fahamasinaNao
Mitaona anay, ho masina mendrika ny ho tempoliNao
Mba arotsay, ny Fanahy Masina hitsilo ny fiainanay
Hahaizanay mandeha sy mijoro ny lala-marinao
Sitrakay raha toa ka ho hanitra ankasitrahanao
Aminay ireo olona mangetaheta Anao
Tsy hivily intsony na hiverin-dalana
Hahay hanisa ny andronay sisa