1. Ambarao amin'ny tany tontolo
Lazao azy avokoa fa mpandresy i Jesoa.
'Lay mpanjaka sy rehareha anay
Mampahery ary mahasambatra.
Venteso ny hiran'ny fankalazana,
Velezo mafy ny amponga tapaka,
Omeo dera sy voninahitra 'lay Mpahary.
2. Tantarao, ny firenendrehetra
Sy ireo vahoakany hendry.
'Ilay Mpahary indro no hitantana
Ho mpandresy n'inona n'inona atao.
Tsofy ny anjomara, tendreo ny valiha,
Ho ren'ny tany, ho ren'ny lanitra
Slam : Ambarao azy fa misy mitantana aho
Misy manarina aho, misy miaro aho
Tsy manan-kery amiko ny bitsika maloto
Tsy mandeha irery aho fa manana anao
fa tsy olo-olom-poana ny aty fa zanany.
Tiaviny, mijoro eo alohako ny sakana fa ho ravany.
Satria mahatoky aho f'efa misy tsaratsara foana miandry anahy.
Ny ampitso izany tsy atahorako,
Ny ampitso izany efa fantatro.
Ny ampitso izany tsy irery toy ny omaly
f'izy no atao mitantana ny tanako.
Manainga ny tongotro dia mamaritra ny lalana tokony handreseko.
any afarako ny ranomaso, hamokatra ny tany amboleko.
Mahery izy, mahery no fitaintainana..
Mahery noho ny tadio mifofofofo sy ny fivadibadiky ny fiainana.
Mahery izy dia mahery aho,
mahery aho satria zanany.
Sahy mijoro ho'aho fa tsy irery aho...
Manohana ahy ao foana ny tanany
Ambarao amin'ny tany tontolo fa mpandresy aho manomboka anio
Ambarao f'efa momba ahy manontolo ilay lehibe indrindra dia ampio
hoe tsy manan-kery amiko ny menarana,
tsy manan-kery amiko ny faharesena.
Ambarao fa mahery ny Andriamanitro,
Andriamanitry ny fandresena.
A/C : RABEMANANTSOA Njato Ny Aina, Hazel