1. Zato taona telopolo dimy amby izay no lasa
‘Lay Fo Masina mitempo fitia he ! he !
‘Lay Fo Masin’i Jesoa no fitia
Maro ireo nifandimby nanohana sy namolavola
Na misonera zanatany samihafa
Sahy nilaza an-kasahiana hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko
Misaotra anao Jesoa Fitiavana
Mankasitraka anao zahay Jesoa
Maha ritra ny aiko ny fitiavako anao
Misaotra anao Jesoa Fitiavana
2. F’Ianao anie Jesoa nomen-kasina hatrizay
Ain amaro anie tonga fanasina
Mamelombelona fiangonana e he ! he ! he !
Fehizoro joalajoala milaza ny fisiana
Famantarana itarafana an-tanana
Hahasahiany milaza am-pinoana hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko
3. F’izahay no fiangonana
Vato velona ianteherana anorenana
Hiray saina ho vato azo ifaharana e
Hasondrotray ny vavakay Fo Masin’i Jesoa
Omban’ireo nialoha lalana anay
Isoloanay teny hilaza hoe he ! he ! he !
Ny fitiavako ny tranonao no maha ritra ny aiko