Ny fahasoavana omeny anao
Tsy tambo isaina, sy ho tantaraina
Mahavariana mahasondriana
Fa safidiny ny tsy hahavery anao satria zanany ianao (Safidy, ianao, zanany ianao)
Atolory Azy ny fonao, hidirany( ou! ou! hidirany)
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao
Any an-danitra , mahafinaritra
Ry namako ô, ry havako aby e
Koa maneke Azy ianao (Ekeo Izy, amin'ny fonao)
Fa miandry ao ambadika ao ny anjaranao (ou,ou, ny anjaranao)
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao
Ny molotray Jesô hideranay Anao
Ny antsoantsonay hoe FA TSARA IANAO
Saotra no atolotray, ho Anao ry Ray
Derainay foana foana fa mpanjakanay
Mendrika ankalazaina, FA TSARA IANAO
Manerana izao tontolo izao, ny Voninahitrao