Mitoka Anao lahy Jagnahary
Ts'ino lahy gnangatahinay
E Fagnahy Masy-Mijotsoa aminay e ! (x2)
1. Henao fagnahy fahendrea-Mijotsoa aminay e !
Haheja gny soa sy gny raty-Mijotsoa aminay e !
Hanaova sitrapon-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
2. Henao mpagnajava gny say-Mijotsoa aminay e !
Hahajoa gny safan-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Mba hajava gny fiegnanay-Mijotsoa aminay e !
3. Henao fagnahy fifidiana-Mijotsoa aminay e !
Haheja mifily gny lala soa-Mijotsoa aminay e !
Mifagnaraky amy sitrapo ny Ray-Mijotsoa aminay e
4. Henao fagnahy mpankahery-mijotsoa aminay e !
Mampitsanga amy Finoa-Mijotsoa aminay e !
Ho vavolombelon'i Jesoa-Mijotsoa aminay e !
5. Henao fagnahy fahalala-Mijotsoa aminay e !
Ahafaha hahalala an-jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Sy gny fandaharam-pamonjea-Mijotsoa aminay e !
6. Henao fagnahy fitiavam-bavaky-mijotsoa aminay e !
Haheja mitia an-Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Sy hitiava gny nama-Mijotsoa aminay e !
7. Henao fatahoran-jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Haheja fa Masy Jagnahary-Mijotsoa aminay e !
Be fahefa sy voninahitsy-Mijotsoa aminay e !