Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Natsanganao izahay ho zanakao
Mba hiombonanay fiainana Aminao
Mba hiombonanay fiainana Aminao
Arovanao zahay amin’ny sandrinao mahery
Mba ho lavitry ny asan’ilay ratsy
Isika Eglizy fianakavian’Andriamanitra
Aina iray avy aminy mamelona antsika
Isika Tempolin’Andriamanitra
Ao amintsika ny Fanahiny trano fonenany
Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Jesoa Zanakao no arosonao
Vatsy ho anay mamelona mandrakizay
Vatsy ho anay mamelona mandrakizay
Nofo-kena mitam-pihavanana Izy
Mampihavana anay Aminao Andriamanitra o
Mampifankatia anay Zanakao
Lehibe ny fitiavanao anay ry Ray ô
Ankaherezinao zahay amin’ny herinao
Torolalan’ny Fanahy izoranay
Ho zanaka hendry sady mpanoa Anao
Ho zanaka hendry sady mpanoa Anao
Iray donak’afo sy dinika Aminao zahay
Ianao no loharanon’ny iraka
Iray asa aminao zahay Andriamanitra ô
Handavorary izao tontolo izao
Fianakaviana iray manana Ray aman-dreny
Ao Zoky be fitia, Masina Maria Reny malala
Zanany natsangany e- Isika