1/Fa nahoana no tazana foana ?
Anaty haino aman-jery ireny,
Nambaranao ahy hatrany fa :
Tsisy voatsara, hamoa voa ratsy
Koa efa Zanakao izahay izao,
Tsisy ahasaraka ahy Aminao
(Reo tebiteby) Reo tebiteby 'zay nanjaka taloha,
(Efa nosoloiko )Efa nosoloiko finoana lalina
Ka i Petera nandatsaka ny haratony
Ireny ary zava-manan'aina
Manana ny anjara fitiavany,
Raha ny Tompo no eo anoloanao
(IzahoJesoa) Indro aho hombanao n'aizan'aiza
(Fa fitahiana) Namiditrana mivoaka amin'ny Anarako
Fa Jehovah Andriamanitra manolotra :
3/Ny fiainam-pahotana sy ireo ozona ratsy
Zay sakana tsy mampivoatra
Indro ariako ... tsy hanjaka
Teo ambonin'ny Hazo fijaliana Efa nahatsapa tokoa,
Fa zanak'Andriamanitra ianao,
Izahay koa : "miantoraka Aminao"
(Reo vokatra) Efa voa tsara no nambolenao tamiko
(Fa voa tsara) Indro namoha maro eto imasonao
Izao fotoam-piotazana izao tokoa anie
Fa zezika sy kojakoja maro nikoloanao
Hanjary vokatra miantefa Amy izao tontolo izao
Fa Jehovah Andriamanitra Fitiavana
Izao fotoam-piotazana izaotokoa anie
Fa Jehovah Andriamanitra manolotra