1. Nivadika ny ora sy fotoana
Dia lasa taona maro nifanesy
Ireo fitsapana maro izay nandalo
Izay tsy maintsy hatrehina avokoa
Hoe aiza ihany no fiafarany
Ny hain'andro be namaky loha sola
Ny rivotra sy kotrobaratra
Hay ve misy sedra ny fanompoana
Tsy maintsy sedraina amin'ny finonana
Tiako,tiako Ianao Tompo ô!
Tianay, sady fanirianay koa
Ny handova Lanitra dieny ety an-tany (x2)
2. Ho anao indrindra ity hira ity
Hampandresy anao sy hampifaly
Amin'ny ady mafy hatrehinao
Na impiry impiry ianao tomany
Ny ranomaso foana no mijoy
Dia tsarovy fa eo foana Izy
Mampitraka izay mitanondrika
Manohana izay efa lavo koa
ou, ou, ou, ou ... na resy an'ady
Manasitrana ny fery, mitsabo koa ny ratra
Mampatanjaka izay efa trotraka
Tsy mandinik'eloka Izy, tsy manisa fahotana
Fa mamindra fo, sy mihantra
Tiako, tiako Ianao Tompo ô!
Tianay, sady fanirianay koa
Ny handova Lanitra dieny ety an-tany (x2)
Ka izany no hilazana hoe ou, ou ...
Satry foana anie ny hanompo Anao
Satry foana anie ny ho eo akaikinao Satry foana anie ...
A C. RAKOTOMALALA Clément & Zoky Mbinina