Raha izaho teo aloha, nihevitra tokoa
Hoe mety avokoa izay natao
Nandeha tsy ankisalasala tamin’ny sitraky ny fo
Fa nampahiratinao, ankehitriny izao
Dia nanenina ireo lasa efa natao
Ref : Mba omeo ahy ry Tompo
N’ijoro ho fahavalo izao rehetra izao
Mba omeo ahy Jesosy, ‘lay Fanahy mazoto
Hanatanteraka ireo Asanao,
Tsapako ankehitriny, tsy afaka hanao izay tiany
Raha tena mpanomponao, amin’ny fomba fanao
Ka manaiky aho izao, hataovy ho Fitaovanao
Raha Ianao koa toa ahy, izay fatra-pandà
Tsy nihevitra fa ireo ditra sy ratsy fanao
‘Zay manimba ny ho avy, sy mety havoasazy
Ny ho mandrakizay mety ho may
Ka ho tsakotsakoan’ny nenina any afara …
Ref : Mba omeo ahy ry Tompo
N’ijoro ho fahavalon’izao rehetra izao
Mba omeo ahy Jesosy, ‘lay fanahy mazoto
Hanatanteraka ireo asanao,
Tsapako ankehitriny, tsy afaka hanao izay tiany
Raha tena ho mpanomponao, amin’ny fomba fanao
Ka manaiky aho izao, hataovy ho fitaovanao
Fa ampy ahy izay, (eny ampy ahy)
Izaho sy ianao mba ho iray (tena iray
Ka manomboka izao (anio izao)