Ny teninao no nanilo anay
Na sarotra na mora, ty asa fanompoana
Niredareda…….. ty fo te-hamonjy
Taona maro lasa izay ry Tompo,
Nisedra sy niaina ireo mamy
Fa nijoro; nitraka ty fiangonanao
Endrey ny fitahianao ry Tompo
Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,
2/ Fa maro ny ondry tsisy mpiahy
Aiza Ianao Tompo ô! hiaraka aminay
Mba hamitrana, ny fo sy fanahiny
Fantatray fa mihaino vavaka
Andriamanitra; tsy miangatra
Sokafy re ny fony; mba hiaina ny Teninao
Tsy olon-kafa intsony : ‘’Efa ankohonanao’’
Fa soa sesehena no natolotrao
Ndreto izahay, fiangonanao, Hanavao …
Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho
Fa soa sesehena natolotrao
Sahinay izao, manambara hoe ... Ho Anao,
Ny haja, dera, voninahitra
Eo anilanao, ny fiainanay rehetra
Tompo ô asehoy anay ny Ray
Dia hamokatra tsara, ny tanim-boalobokao Dia ho mamy,