1/Anaty irakao izahay (ô irakao)
Mafana ny fonay manaiky (Finoana)
Hanohy ny asam-pamonjena,
"Torio eran-tany ny filazantsara"
Rehefa tojo sarotra ny dia(sa.......sarotra)
Nilofika te hangataka ny(Herinao)
Miova ho endrika fahoriana
Avia ianao, anaka Ny zanak'Andriamanitra
Tsy maintsy miorina Amin'ny finoana lalina
Fa i satana anie, tsy mitsinjo Fa manapotika anao
Sikino ny marina... Mitrakà
Mifalia amin'ny fanantenana Mahareta amin'ny fahoriana Mahareta amin'ny fivavahana
2/Anaty irakao izahay(ôirakao)
Mafana ny fonay manaiky(Finoana)
Hanohy ny asam-pamonjena,
"Torio eran-tany ny filazantsara"
Fa tolona ny finoana (Finoana)
Fa tsy mba sentosento koa (Sentoko)
Mahaiza manao "Eny" Ny fahamarinana
Tsy maintsy miorina Amin'ny finoana lalina
Fa i satana anie, tsy mitsinjo Fa manapotika anao
Sikino ny marina... Mitrakà
Mifalia amin'ny fanantenana
Mahareta amin'ny fahoriana
Mahareta amin'ny fivavahana
Koa mifalia hatrany Paradisanao efa ity
Mifalia amin'ny fanantenana
Mahareta amin'ny fahoriana
Mahareta amin'ny fivavahana(x2)
A C. Rakotomalala Clément 2017