1.Tamin'ny andro nahabado, ara-pinoana:
Sasatra nivilivily, toa haizina mikitroka...
Niezaka namikotra, kay hazoboboka
Nivarina tery, naratra avy hatrany,
N'iza hiseo... ho manan-kery
Jesosy no fiainanay (koa indro asandratray)
Indro asandratray, Lay feo fiderana
Fa Izy nonaha-toy izao, naha-toy izao anay.
Vonona hanaradia, an'IlayJesosy tia,
Izy no naniraka ahy, araka ny hafany
2.Mazava izao ny andro, Jesosy no efa tonga
Tsy ny filazantsara irery, no atolony ho anao
Fa eo ny tenany, lasa mofo velona,
hiainantsika, mandrakizay
Aza misalasala (koa indro asandratray)
Indro asandratray, lay feo fiderana
Fa Izy nonaha-toy izao, naha-toy izao anay.
Vonona hanaradia, an'IlayJesosy tia,
Izy no naniraka ahy, araka ny hafany
A C. RAKOTOMALALA Clément