Ny fihevitro tsy fihevitrareo
1/Maro zavatra sedraina : ny olombelona eto an-tany
Mety tonga amin’ny nofinofy, faniriana taloha
Izy Tompo no mamaly, raha mety amin’ny fiainanao
Hamafiso ny finoana, araho asa tokoa
2/Ny manompo an’Izy Tompo, Lavitry ny ahiahy,
Raha samy miaina fijaliana, hafa ny fiainako, miaraka Aminy:
Ahitako fiadanana, Izy Tompo anilako eto,
Tsy mamela ahy irery anie, manoro ny dia
3/Aza adino ihany koa, Ny fisian’ny Fanahy Masina
Miara-miasa amin’Izy Tompo, manilo, … manazava antsika,
Manome ‘reo tolo-tsaina, ho mpandresy miaraka Aminy
Fiadanana hatrany hatrany, zay no hiriany amin-tsika
Ray eo an-tànanao, Ny fiainako rehetra,
Ny fihevitrao ry Ray, … Tsy fihevitray olombelona
Raha misy anie heveriko, Tsy ho fahombiazako izay,
Ampianaro, Mba hahay hitraka
Raha misy anie heveriko, Fandresen’ny zandrinao,
Ampianaro, Hahay hanetry tena,
Fa fitiavana izany, Ny fihevitr’ilay Ray Tsitoha,
A/C. Clément RAKOTOMALALA