1/Nokoloinao ho mpanompo, Mahatoky (ireto zanakao)
Notefenao, hahay hahazaka,ny mangidy(sy ny mamy)
Nandrato avy hatrany, nampitaihany koa, lay teninao (Mahavelona)
Na sarotra ny dia, nitrakafaTia ho famonjena
Teny an-dalana teny, nandalo rahom-bava,
Nandalo hafaliana,...fahasoavana
Namihina anay, tsy holavo, tsy irery izahay
Jesôsy o! tefeo ny finoako
Maro anie ny hetraketrakin'ny tany, mapihemotra
Jesôsy o! Tefeo ny finoako
Maro anie ny tsy faly Aminao,
2/Notorianay na aiza aleha, ny Anaranao (Ianao Mpanjaka)
Tsy miova,ny anio, mandrakizay (Ianao Jesô o!)
Fa misy ireo mino, ny famonjena, ka voavonjy (olom-baovao)
Reo minia kosa, ... mikiribiby, nenina foana.
Teny an-dalana teny, nandalo rahom-bava,
Nandalo hafaliana,...fahasoavana
Namihina anay, tsy holavo, tsy irery izahay
Jesôsy o! tefeo ny finoako
Maro anie ny hetraketrakin'ny tany, mapihemotra
Jesôsy o! Tefeo ny finoako
Maro anie ny tsy faly Aminao,
... Rehefa Ianao no ambara
... Rehefa Ianao no toriana
... Rehefa Ianao no deraina
....Rehefa Ianao no ambara
A/C RAKOTOMALALA Clément FANANTENANA ANTSA-FI Nov2017