I Dada malala, i neny tsy mba foy
Lasa nodimandry any am-pasa-mangina
Ny sombinainareo, ny zanakareo
Miady amin’ny fiainana mafy dia mafy
Ny tanindrazantsika dia milentika ihany
Ny mpiray tanana dia migogogogo ary koa mitomany
Tsy ankizy tsy lehibe dia minaonaona
Ka mifampihinana marina mafy sy tsy mitafy
Vonjeo Andriamanitra ry Tompon’ny lanitra o !
Ny fahasoavanao arotsahy dieny zao o !
Hafaho mba hiala amin’ity fahantrana
Ho afaka izahay, eny mandrakizay !
Ry zandry tena tiana, zokibe toa ray
Tsy mety mahita ka mavaivay
Nenitoanareo, dadatoanareo
Miasa mafy amin’ny karama kely
Lalaovan’ireto mpanao pôlitika
Samy Malagasy no mifandritaka sy mifamitaka
Fa hafahafa tsy mahay mitafa
Vonjeo Andriamanitra ry Tompon’ny lanitra o !
Ny fahasoavanao arotsahy dieny zao o !
Hafao mba hiala amin’ity fahantrana
Ho afaka izahay, eny mandrakizay !