1. Olom-boafidy ny Tompo ianao
Hanantontosa izao asa izao
Ilaina ianao matoa noatsoiny
Na dia olom-bery aza tsy fohiny
Ko hefao ny raharan'Andriamanitra
Fa ho efainy ko ny raharahanao
Fa tiany ianao,malalany,sakaizany tena tsy fohiny
Koa mahereza ary aoka isika hitomban-dahy
Aza mierikerika fa aoka re ho tony
2. Ndeha ary aoka ho fanamby atao
Efa miandry ary ankotra ary
Ilay satroboninahitra valim-pitia
Koa hefao ny raharaha an'Andriamanitra
Fa ho efainy koa ny raharahanao
Fa tiny ianao,malalany,sakaizany tena tsy fony
Koa mahereza ary aoka isika hitomban-dahy
Aza mierikerika fa aoka re ho tony
3. Ndeha ary aoka ho matoky
Ka ho filamatra ,filazantsara
Ho ohatra velona ho any hafa
Ko hefao ny raharan'Andriamanitra
Fa ho efainy ko ny raharahanao
Fa tiany ianao,malalany,sakaizany tena tsy fohiny
Koa mahereza ary aoka isika hitomban-dahy
Aza mierikerika fa aoka re ho tony