Teo ianao, nilaza fa ho doria ny antsika
Izao ianao, nilaza f’efa leo ka hiova famindra
Teo ianao, nanamafy hatrany fa tia
Izao ianao, milaza f’efa ka hisampana ny dia
Teo ianao nitia ahy, nanampy ahy
Nitombo hatrany ilay fitia
Fa izao tomany aho, marary aho, mijaly aho
Raha hifikitra amin’ny fitiavanao
Hamela ahy irery toy izao
Tsy omeko tsiny nefa ianao
Saingy izaho no mijaly satria
Teo ianao, to ney daholo izay rehetra natao
Niangavy ianao, ny fitiavantsika aza tsy hatao kilalao
Izaho indray izao no mitalaho fitia aminao
Raha sitrakao, hamerina indray izay vita hatrizay
Teo ianao nitia ahy, nanampy ahy
Nitombo hatrany ilay fitia
Fa izao tomany aho, marary aho, mijaly aho
Raha hifikitra amin’ny fitiavanao
Hamela ahy irery toy izao
Tsy omeko tsiny nefa ianao
Saingy izaho no mijaly satria