Ho hamasinina anie ilay Ray Tsitoha
Ho hamasinina anie ny Fanahinao
Ho hamasinina anie ny Anaranao
Tompo ô, Ho hamasinina Ianao
1. Manaiky Anao hanatrika anay
Manaiky Anao hiara-hiasa aminay
Manaiky Anao hampahery anay
Ho hamasinina anie ilay Ray Tsitoha
Ho hamasinina anie ny Fanahinao
Ho hamasinina anie ny Anaranao
Tompo ô, Ho hamasinina Ianao
2. Tompo ô, mamelà ny helokay
Diovy amin´ny Rànao izahay
Mangetahetanao ny fanahinay
Tompo ô, maniry Anao ny nofonay
3. Ampaherezonao ny mpanomponao
Mba hazavao ny fon´ny olonao
Hahita rano velona avy Aminao
Ary hahita ny voninahitrao
Ho hamasinina anie ilay Ray Tsitoha
Ho hamasinina anie ny Fanahinao
Ho hamasinina anie ny Anaranao
Tompo ô, Ho hamasinina Ianao
A/C : RANDRIAMAMPIANINA Jean Clarel (Novembre 2017)