Nandeha masinina tsara tarehy
Tsy nana-namana aho ka avy dia nipetraka
Nangiana irery tsy afa-niresaka
Kanjo teo Sambaina dia indro tovovavy
Nandray fiara ary niangavy
Hipetraka eo anilako raha toa ka azo atao
Eny hoy aho, avy etsy hianao!
Tena manja ho’a ny dia e!
Ny rotsirotsinao mahalasa nofy erY
Tena manja ho’a ny dia e!
Ny rotsirotsinao mahalasa nofy erY
Izahay moa tsisy nifampiteny
Teo Ambohimandroso aho nandeha nivoaka kely
Saikadaikatra aho tsy sahy nihinan-drery
Natolotro ny mofo, nataoko hoe mangalA
Dia naka izy, fa tsy nandA!
Lavitra ny dia, naharitra ela koa
Nironjona ny fiara, nahankiny ny lohany
Niafiako teo, atao ahoana moa
Raha hianao izao no t@ toera-nisy ahy
Hianao angamba tsy dia ho sahy
Hanilikilika azy hanao hoe mialA
Raha tsy hoe Dia loza angaha!
Tonga teo Soarano nojanona ny fiara
Nifarana eo koa ilay tantara
Hianao angamba hilaza hoe ratsy fiafara
Fa raha mitohy vao tena tsara
Tsy holazaiko anao anefa ny any ivelany any
Ny azoko ambara dia kely foana ihany
La-La-La-La Tsaroako hatrany!