fa hijanona tsy hanambady
niova hevitra avy hatrany
’nefa koa malefadefaka fijery
toa ny misy herimbaratra mahery
Miondraondra, misarako ao an-damosiny
Raha mitsiky izany molony
toa voankazo mena fify ka aoka fotsiny
lazainy aho fa tsy matotra
Ry zareo manao izay tiany
rehefa mody izy amin’ny alina
Ny ahy kosa, vao amin’ny enina,
indro tazako izy ery am-bavahady
dia tsaroako, tsisy nenina
mahafinaritra ery ny manambady
an-dakozia mikarakara ny sakafo
tsy maharitra fa dia manafosafo
ny lafiratsiny mba misy kely ihany
Rehefa izy no mivazavaza,
menomenona tsy misy fiafarany
mirintondrintona amin-java-tsisy fotony
nefa izaho tsy mety tezitra
vao mahita izato fiangotingotiny