Ny volonao fotsy mangatsohatso
No itiavako anao re ry mama,
Ny feonao malefaka raha miantso,
No itiavako anao re ry mama,
Ny bikanao folaky ny andro lasa
No itiavako anao re ry mama,
Ny tananao mafy noho ny asa
No itiavako anao re ry mama.
Toa hitako ianao fony tanora
Namindra milako tsimoramora
Nanaitra an’i papa ianao;
Nilefa nandao tsy nety tana,
Ny taratra’irony hatanorana
Kanefa am’izao toetranao izao
No vao mainka tiako dia tiako ianao!
Ny volonao fotsy mangatsohatso
No itiavako anao re ry mama,
Ny feonao malefaka raha miantso,
No itiavako anao re ry mama,
Ny bikanao folaky ny andro lasa
No itiavako anao re ry mama,
Ny tananao mafy noho ny asa
No itiavako anao re ry mama.
Isaorako indrindra Andriamanitra
Ary hivavahako mba haharitra
Hiaina eto an-tany ianao.
Na tsara na ratsy izahay zanaka
Ka dia tsy navelanao mba hihahaka
Iriko indray re ny hanavao,
Hilaza fa tiako dia tiako ianao.
Ny volonao fotsy mangatsohatso
No itiavako anao re ry mama,
Ny feonao malefaka raha miantso,
No itiavako anao re ry mama,
Ny bikanao folaky ny andro lasa
No itiavako anao re ry mama,
Ny tananao mafy noho ny asa
No itiavako anao re ry mama.