Fa lalampiainana nizorako tokoa
Ny fahitako anao ka nampiova ny tontoloko
Tsy noterena sanatria fa safidy tsotra izao
Ny nandray ny tananao hitantana ny dia
Dia nifankatia izaho sy ianao
Tsy nahalala izay voarara
Nitady mamy ka niara-dia tokoa
Tsy nahalala hoe hatraiza fa tena tia tokoa
Izay misy anao no hisy ahy koa,
Tsy haiko ny miaina tsy misy anao
Dia nifankatia izaho sy ianao
Na ho ratsy na ho tsara izay rehetra atao
Dia niredaredareda tao am-po
Ilay tena tia tsy nifandao
F'efa nafoiko ho anao izao rehetra izao
Fa hasambarana niainako tokoa
Ny eo anilanao ka satry tsy hiala
Ireo toky izay nomena no hery vaovao
Hiarahana hatrizay porofo fa fo iray
Dia nifankatia izaho sy ianao
Tsy nahalala izay voarara
Nitady mamy ka niara-dia tokoa
Tsy nahalala hoe hatraiza fa tena tia tokoa
Izay misy anao no hisy ahy koa,
Tsy haiko ny miaina tsy misy anao
Dia nifankatia izaho sy ianao
Na ho ratsy na ho tsara izay rehetra atao
Dia niredaredareda tao am-po
Ilay tena tia tsy nifandao
F'efa nafoiko ho anao izao rehetra izao