Hitotorebika isika niany e!
Fideragna tsy misy ohatran'izany e!
Ilay Mpanjaka tompon'ny laka
Derao ny Tompo oh! Derao Jesosy e!
Roso hatrany ny diantsika
F'efa akaiky ty paradisha
Hialaviro ny mpandrebireby
Tsisy hanaiky voarebirebinao
Tsisy hanaiky ny rediredinao
F'efa hakaiky Jerosalema vaovao ry satana oh!
Tandrignesa , Tandrignesa boaka an!
Ela ela tsy fankahita, ela lea tsy fangnotsafa
Ela ela tsy fankahita rô, ela ela tsy fangnotsafa
ka Môramôra koragnako azy, môramôra volagnako azy
Mantsintsigny hikorangnako azy , hivolagnako raha tegna marigny.
'Zah tônga hidera tsy hipoerapoera , handrava fagnahin'ny losifera.
Niany fotoagna tônga ny lera e!
'Zaho tsy maintsy mandihy
Isanandro mandihy ho an'i Jesosy
Navy izahay hidera e! Fa tsy hipoerapoera
Tsy hagnano ambiance CIMETIERE e!
AMBIANCE BOAKA AN-DANITRA ANY E! MAHAFINARITRA E
AMBIANCE BOAKA AN-DANITRA ANY E!