Frère Jacques(2), aiza ianao(2)
Miandry any Ikala Martine(2), miandry anao(2)
Sasa-miandry eny Antaninarenina
Tsy maintsy mody izy anefa amin’ny enina
Vonjeo any sao tara ianao
Fa ilay vazaha izay mampiasa azy
Hisangisangy, hisangy aminao
Raha tsy tonga hono ianao Razaka
Ilay vazaha aza rehefa mamomamo
Mila hanadino ny ao an-trano
Kala tsy aninona tsy aninona
Nefa asa fa toa mahatamana
Frère Jacques(2), aiza ianao(2)
Miandry any Ikala Martine(2), miandry anao(2)
Ny amin’ny enina efa latsaka fahefany
Kely sisa izy dia handeha
Efa mamboamboatra ny entany
Kanjo teo ihany dia nisy nanontany hoe
Sasa-miandry an’i Razaka tsy hivalana
I Paoly indray no tonga nisalotra ny lalana
Raha tsy tonga hono ianao Razaka
Rehefa tsy andrasana i Paoly dia tonga
Tovolahy tsy misomonga izy e!
Nifanaraka sahady izy roa
Izay Razaka vao mikasa ny ho any
Ny trondro efa tsy ao am-bilany
Frère Jacques(2), tara ianao(2)
Tsy any intsony Ikala Martine(2) Izay ny anao(2)