Marobe ireo olona mitraina
Na ny maivan-doha izany na ny manan-tsaina
Mian-dahy miam-bavy tena marina mafy
Fa ireo izay mahalala onona
Misy any am-bovo manao izay mety
Misy any ivelany miseho ho vedety
Ny sasany hita eny amin’ny mpivarotra masikita
Sao ianareo misaina avy hatrany
Fa izaho mitantara koa dia anisan’izany
Tandremo kely tsy izany velively
Fa raha indraindray kosa aloha izany tokoa
Fa mampiresaka hono ny traina
Ary indraindray mampisokatra ny saina
Ireo saro-kenatra manjary sahisahy
Dia miboredika miteny vazaha
Na dia tsy hainy akory izay lazainy dia
Izaho izay mihira eto tsoriko amin’ty
Tsy nihira teto aho raha tsisy ny pi
Tsy saro-kenatra aho akory vahoaka ô!
Fa ny filinina no mety tsy hivoaka
Fa na ny velona aza no mitraina
Ny razana dia tsy miala maina
Fa ny tena mba mahagaga kely
Ny razana tsy katry velively