Indray andro hono nisy, kalakely, manjakely
Dia naniry hono izy ny hanana volamena
Tia hampiitovy amin’ny namany, dia nanofinofy
Tia hampiseho amin’ny havany, zao ny harena zareo
Tamàna anaty haizina izy, lohasaha, mangingina
Mijaikojaiko mody izy, refa avy novidiana
Nividy fitafy mba tia hiavaka sy hitovy amin’ny hafa
Kintana dimy no nanazava ny lalan-kombana
Miala avy any Ikala, manakoako zalah,
Miala avy any Ikala, miandriandry zalah
Indray andro hono nisy, bandikely, mora very
Tsy mba mihevitra ny ampitso, ny omaly ihany no androaqy
Ka lasan’ny rivotra, nitopatopaka, tsy nisy nihazona
Dera sy laza no nanazava ny lalan-kombana
Miala avy any ledala, manakoako ikala,
Miala avy any ledala, miandriandry ikala
Miala avy any Ikala, manakoako zalah,
Miala avy any Ikala, miandriandry zalah
Miala avy any ledala, manakoako ikala,
Miala avy any ledala, miandriandry ikala