Lokanga dimy indray dinidy
Sodina taolana tsara loaka.
Miankanjo manga marain-droa
Raozy gasy ao anaty volo.
Mihararetra eny amoron’ ala
Tsidintsindin’ ny andro meva
Sa angindina manga eny an’ ony.
Moana tampoky ny fiadanana
Valiha telo, amponga tapaka
Lokanga, sodina no indray henoiny.
F’injay ny molony mangovingovitra
Tsy toha intsony ka zary kalo
Dia lasa hira nony avy eo.
Mba ontsa koa Ravaviantitra
Ka io mirotsaka mba mandihy
Mitari-joro ny ila-sikiny
Dia toy ny androny mirefarefa.
Tsy kalokalo na hirahira,
No mampifelana izato endriny
Mahatsiaro ny mafy rehetra.
mahatsiaro toa fenomanana
Efa ho rendrika sy tsy ho hita
Inty mihintsana ny lohataona
Dia mifanojo ny lohatoandro
Ny tondro mihantsin-dRatovovavy
Sy ny tondro fola-dravaviantitra
Samy tanteraky ny hazavana.
Efa foy eny an-tendrombohitra
Sy ny andro maraina maneno akoho.
Tononkalo: J.J. Rabearivelo