Izahay izao no aretina ilaina
Ny vatanay no paoma azo omena
Azo anaovana izay rehetra norarana
Raha toa ianao mahatsiaro ho Adama
Mandrosoa, mihinAna mandrama
F’izay tsy tia aleo hirediredy
Izahay izao efa noratraina
Na reraka aza, na koa savolaina
Ny aty vonona hampiredareda
Misy ory, oriory safosafo
Ny aty vonona handrehatr’afo
Tsy mihomehy izay mety ho kilema
Na manavaka noho ny harena
F’izay mitady de ho voaray
Izahay izao toy ny hotely
Milahatra ianao de mba miandry kely
Fa samy hahazo ny anjarany
Na tokan-tena na efa manam-bady
Na antitra na mbola tomady
Na ny efa zatra na ny tsy mbola mahay
F’izahay tsy mila antsojay
Rehefa voky avy nanapatra
Dia lasa mandao ny latabatra
F’izahay mbola voatery hamafamafa
Hihinanana, hidiran’ny hafa
Ny vidiny tsy mba midangana
Ho anay tsy fahafinaretana
Mpanome fa tsy mba mandray
Na antitra na mbola tomady
Na ny efa zatra, na ny tsy mbola mahay
F’izahay tsy mila antsojay
Ka aoka isika tsy hifanakora
Fa asa toy ny asa rehetra
Ka aoka isika tsy hifampitsetra
Indraindray tsy hila hahajoro