Anio ianao no nifidy ho avy
Hameno isa anay mivady ho mpianakavy
Efa ela naniriana hanana kilonga
Mba hanamora ny dianao mba halakilaky
Reninao te hivoaka matetitetika
Mety ho iray, mety ho roa
Fa izay tonga tsy ho laviko
Fa ho lalaiko, ho tiaviko
Hoe « aza taitra ianao rangahy f’io mandeha ho azy »
Rehefa nitsapa izy dia nilaza
« Efa akaiky, akaiky ny zaza »
« Raha vonona ianao dia miakara
Mitsilania etsy ambony farafara
Eo ambonin’ny tavy no misaveraka
Tsitsio ny aina ndrao dia reraka »
Mety ho iray, mety ho roa
Nanomboka ary ny ady lehibe
Ny fanenan’i Neny no hany sisa re
Ny fikekekezany, ny tabataban-dRasazy
Izaho nandositra tsy sahy nijery
Fa aleo izy ao, aleo hiady irery
Tany an-dalantsara aho no nisomebiseby
Dodona ery aho nanarangarana
Ny fitsikin’i Neny no nitsena ahy
Hoy izy hoe: « kambana vavy sy lahy »
Nihazakazaka aho nanoroka an’i Neny
Nijery ireto kambana aho tsy nahateny
Iray no nantenaina, roa indray no tamy
Hafaliana ts’isy ohatr’izany