Manao azafady kely tompoko o!
Mba hiara-hihaino tsara o!
Manao azafady amin’ny Ray aman-dreny
Hatramin’ny taona lasa ka hatramin’izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin’ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)
Hianareo ve hijanona sa hiaraka aminay a! (2)
Karaborosy re ny tômobilina handahananay a!
Miaka-piakarana ilay izy mamindra vitesy o!
Midim-pidinana ilay izy manitsaka frein a!
Rehefa mijanona ilay izy vitesy point mort a!
Fiara vanona be numéro TG sady mery mandeha
Manao azafady amin’ny Ray aman-dreny
Hatramin’ny taona lasa ka hatramin’izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin’ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)
Ikala Fanja mijanona tsy miaraka aminay a!(2)
Izahay tsy mila an’i Ra-Fanja sipakely tsy mahay ba-kely e!
Manao azafady an-dRafanja malala
Hatramin’ny taona lasa ka hatramin’izao
Fa vita hatreo re ny amin’ity
E! E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o!
Manao azafady kely tompoko o!
Tonga teto Tsarahonenana nitondra hira vaovao
Manao azafady amin’ny Ray aman-dreny
Hatramin’ny taona lasa ka hatramin’izao
Fa mbola hitohy ihany ny amin’ity
E! E! E! E! E! E! E! E! Eny o! (3)