Nalefa stazy tany Madirovalo
Ny mpianatry ny oniversite
Handinika ny zava-misy an
hitan’zareo tao Madirovalo
tantara marina izany lerony an.
Ary zay mahita tsy mahazo manambara
Bibilava ao anaty honahona feno bararata
Misy vahiny efa valovotaka
Nitantara tamin’ny olona ô
Ny toerana nisy ilay biby.
Niaran-doza ho aho ny vady aman-janany.
Nizara roa ary ny fitondrana
Ao amin’ny firaisan’i Madirovalo
Anefa samy mitondra vahoaka
Ny iray fitondram-panjakana
Izay ho entin’ny lehiben’ny firaisana
Ny faharoa dia ny fitondran’ny razana
Ka i Adamalandy no mitondra an’izany.
Izany no tromban’i Madirovalo
I Adamalandy dia mpanjaka mena
Taranak’ireo mpanjaka taloha
Izy no raiamandreny tanàna
Mitantana ny fomban-drazana
Ireo mpianatra avy any amin’ny
Avy any amin’ny oniversite
Tao anaty somba no nanaovan’izany an
Nalefa stazy tany Madirovalo
Ny mpianatry ny oniversite
Handinika ny zava-misy an
hitany zany tao Madirovalo
tantara marina izany lerony an.