Izahay izao no aretina ilaina
Ny vatanay no paoma hazo mena
Manana namana, namana menarana
Azo anaovana izay rehetra norarana
Raha toa ianao mahatsiaro ho Adama
Mandrosoa, mihinàna, manandrama
F’izay tsy tia aleo hirediredy
Izahay izao efa noratraina
Na reraka aza, na koa savolaina
Ny aty vonona hampiredareda
Misy ory, oriory safosafo
Ny aty vonona handrehatra afo
Tsy mihomehy izay mety ho kilema
Na manavaka noho ny harena
F’izay mmitady dia ho voaray
Izahay izao toy ny hôtely
Milahatra ianao dia mba miandry kely
Fa samy, samy hahazo ny anjarany
Na tokan-tena, na efa manambady
Na antitra, na mbola tomady
Na ny efa zatra, na ny tsy mbola mahay
F’izahay tsy mila hatsojay
Rehefa voky fa avy nanapatra
Dia lasa mandao ny latabatra
F’izahay mbola voatery hamafamafa
Hihinanana, hidiran’ny hafa
Toy ny vary, toy ny vary mitsangana
Ny vidiny dia tsy mba midangana
Ho anay tsy fahafinaretana
Mpanome fa tsy mba mandray
Na antitra, na mbola tomady
Na ny efa zatra, na ny tsy mbola mahay
F’izahay tsy mila atsojay
Ka aoka isika tsy hifanakora
Fa asa toy ny asa rehetra
Ka aoka isika tsy hifampitsetra
Indraindray hila tsy hahajoro