Vokatra ireo paiso ra-kena
Mirehitra ireo azo mivoara mena
Alakamisy hariva andro tsy fianarana
Mifampitantana izay roa lahy
Ho any avaratrin’ny abatoira
Hangalatra ireo paiso ra-kena
Mena mena asa raha tadidin’ialahy
Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana
Rehefa tonga eny ambony paiso
Manasaraka ny ambony sy ny ambany
Ny lanitra azo tsapaina tanana
Ny papango nanjary namana
Ny vavanay roa lahy amin’izany
Boba-dra amin’ny paiso ra-kena
Mena mena asa raha tadidin’ialahy
Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana
Indray alakamisy izy tsy tonga
Sendra hariva mena masoandra
Nody ao tsy saha nangala-paiso
Nifampitantana izao sy halaheloko
Mihintsana ny fahatsiarovana
Rehefa lehibe izao hamboly paiso
Ho vokatra ireo paiso ra-kena
Ho tonga ireo ankizy hangalatra
Mena mena asa raha tadidin’ialahy
Mena mena ny lokon’ny fahatsiarovana