No tsy mety mankaty amin’ny tranonay
fa ho amboleko etsy an-tokotany
tsy tiany (2) ny tokotaninay
satria rehefa tonga ao izy, dia
tsy tiany (2), ny tokotaninay
Aminareo izay tady hitondra
Ny tananareo izay tady hitondra
Tandremo (2), sao dia maratra ho aho
Ny masony (2), dia maso mahafatifaty
Ny orony (2), dia orona mahafatifaty
Mahalala ny rivotra tsara
Ny sofiny (2), dia sofina mahafatifaty
Ny vavany (2), dia vava mahafatifaty
Mahasahy miteny ny marina
Izay tsy tokony ho lazaina.
Ny tratrany (2), dia tratra mahafatifaty
Afaka manome ronono velona
Hoan’ireo izay tsy ampy sakafo
Ny kibony (2), dia kibo mahafatifaty
Hoan’ireo izay tsy mba manana
Ny tanany (2), dia tanana mahafatifaty
Ny tongony (2), dia tongotra mahafatifaty
Vakivaky ny andro vao maraina
Sy ny fotaka eny an-tsaha .
Aminareo izay tady hitondra
Ny tananareo izay tady hitondra
Tandremo (2), sao dia maratra ho aho