Anio ianao no nifidy ho avy
Hameno ny isanay mivady ho mpianakavy
Efa ela nanirina hanana kilonga
Mba hanamora ny dianao mba halakilaky
Reninao te-hivoaka matetitetika
Fa ’zay tonga tsy ho laviko
Satria ho tompon’ny ho aviko
Hoe aza taitra ianao Rangaha f’io mandeha ho azy
Rehefa nitsapa izy dia nilaza
F’efa akaiky hatomotra ny zaza
Raha vonona ianao dia miankara
Mitsilania etsy ambony farafara
Eo ambonin’ny tavy no misaveraka
Tsitsio ny aina sao dia reraka
F’izaho vonona hanolokolo
Nanomboka ary ny ady lehibe
Ny fanenan’i Neny no hany sisa re
Ny fisefosefony, ny tabataban-dRasazy
Izaho nandositra tsy sahy nijery
Vehivavy lehibe io ka aleo hiady irery
Tany an-dalatsara aho no nisomebiseby
Dondona ery aho nanarangarana
Ny fitsikin’i Neny no nitsena ahy
Ho izy hoe:"kambana vavy sy lahy...."