Ô Ravorondreo, etsy hafarako kely ange ianao,
’Ty ny taratasy, ento amin’ny sipa malalako any izy e!
Indray takariva nandrahona, sendra nandalo tananay izy ô
Ny ranomasony nipatrapatraka toy ny orana.
Teo anilanao anie aho (2)
Teo anilanao anie aho ra-Sipa no natositosikao an!
Efa lasan’olona ny foko (3)
Vao hoe voromanganao anie aho (2).
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa (2),
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa (2),
Lazao azy izaho hono namita an’izato afera
Lazao azy fa izy hono lasa militera
Indray takariva nandrahona, sendra nandalo tananay izy ô
Ny ranomasony nipatrapatraka toy ny orana.
Teo anilanao anie aho (2)
Teo anilanao anie aho ra-Sipa no natositosikao an!
Efa lasan’olona ny foko (3)
Vao hoe voromanganao anie aho (2).
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa (2),
Raha nilaozanao anie aho ra-Sipa (2),
Indray alina, tsy nahita tory fa nivadibadika,
Nahatsiaro, ireo safosafo sy orokoroka.