Dia lasa indray, ity reninao
Mikasa ny tsy hiverina intsony,
Fa tofoka hono ny fony, oooo...
Tsy tantiny intsony ny fahantrana,
Nitady toeran-kafa vaovao,
Mba tsaratsara noho izao, ooo...
Efa nataoko izao azo atao,
Hamalifaliana ny reninao,
Saingy toa tsy tsapany izay vita rehetra,
Ny sitrapony, tsy manam-petra, ooo...
Isika mianaka no tavela irery,
Ary koa, hifampikarakara,
Ka aoka hifanaraka tsara a, ooo...
Fa raha mbola misy ny azo atao
Tsy ho diso anjara mihitsy ianao
Raha misy hery ao anatiko ao
Koa matokia izany menaky ny aiko,
Ny anjara adidiko tsy maintsy ho vitaiko(2)
Fomban-javatra ihany izany,
Ny fo anie, mety hisendaotra,
Noho ny fahoriana tafahoatra.
Nefa ny tany mihodina hatrany
Mifandimby ny mangidy sy ny mamy
Nefa aoka isika samy hino
Fa ny reninao tsy manadino
Varavarana no avelao hivoha,
Miandry ny andro hiverenany indray,
Ho tafahaona, ho tafaray, ooo....
Koa matokia izany menaky ny aiko,
Ny andro hiverenany no mbola antenaiko(2)