Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy ka avy any NOSY LAVA
Fa ny zanany lahy anie ka ilay gadra lava
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie loza amin’atambo
Ny zanany lahy natao fizahana lambo
Afak’omaly atoandro izy nandeha nilaha-bary
Ka nahita olo-maro nitazana sary
Sarin’olon-dratsy navoaka an-gazety
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie dia ilay gadra lava
Fa ny zanany lahy anie dia avy any Nosy Lava
Ny renin-dRAINIVOANJO anie dia tsy mba nahalala
Fa ny zanany lahy anie dia loza amin’atambo
Ny zanany lahy natao fizahana lambo
Tonga tany an-trano izy tsy nahamasa-bary
May teo ambony fatana ny laoka kely atoandro
Fa izy dia nino fa ny zanany dia hendry
Fa ny FANJAKANA angamba no adaladala
Fa mbola misy ihany ny fihazana lambo (2)
Ireo mahay , mahay taratasy
Mankany anaty ala , ala tsy misy hazo
Ala tsy misy hazo fa feno trano
Feno trano toa an’ANTANANARIVO
Ny lambo enjehany,zanaka bado (2)