Tamin’ny 72 e, isaka vao nanomboka niaraka
Nisy firaisan-kina e, tao isika no niposaka
Tsaroako tsara izany andro izany
Fiaraha-mihira tsisy tahak’izany
Ny fiainanay mbola hira ihany
Eh ia, eh, eh iae, ia eee !
Ohatran’ny mahatsiaro an (3)!
Ka ohatran’ny mahatsiaro an !
Satria ianareo dia feno fitiavana
Ny fiainanay, tsy hira ihany
Ny tarikay, mbola eo ihany !
Ieh ia, ieh ia, iae, ia eee !
Ohatran’ny mahatsiaro an (3)!
Ka ohatran’ny mahatsiaro an !
Ohatran’ny mahatsiaro an (2)!
Isika efa antitra mbola tafaraka
Isika efa samy mitondra taranaka
Tsinjoko tsara izany andro izany
Tsinjoko tsara isika am’zany
Mbola mihira, tsy an-kitomany
Ieh ia, eh iah, ieh ia, eh iaeee !
Ohatran’ny mahatsiaro an (3)!
Ka ohatran’ny mahatsiaro an !