Fa voan’ny tazo ity vehivavy ity
Na ny mpitsabo aza very dia
Noheveriny ho tazo mahery
Toa hafahafa ilay hafanana
Mampilomay ny fitempon’ny fo
Nivaquine telo isan’andro
Mitsindrona maraina atoandro
Ny fanafody asisika etsy andaniny
Tsy hay intsony izay tsy nohaniny
Ilay hafanana miakatra malaky
Ny terimaometatra aza vaky
Izay natao, ts’isy nandaitra
Ilay hafanana toa tsy taitra
Hoe tsy mba misy fanefitra
Mihizihizy tsy mety hilefitra
Izay hoy izy angamba no farany
Fa very an-javona ny hasasarany
Vorio daholo ny havana tiany
Ka tanteraho izay sitrapony
Ka indro tonga ity lehilahy
Tonga hamangy fa kilasy iray
Teo vao niseho ny fahagagana
Nisinda ho azy ilay hafanana
F’io lehilahy io no nantenainy
Ho fanafody hampody ny ainy
Fa ny azy fitia otrik’aretina
Nihanaka f’efa ela nentina
Fa fo madio tsy manan-tsiny
Izany akia no aretim-pitia
Raha vao nijery azy ilay oln-tiany
Nisinda ho azy ilay fanaviana