Izay lazainao ho ditranao
Tsy mampaninona ahy akory
Fa izay, izay foinao ho ahy
Satria aho tia, tena tia dia tia.
Nefa atao ahoana fa tanora milalao
Ka aza atao hifanomezan-tsiny
Ny fo tsy vato fa be ny faniriany
Izaho aho tia, tena tia dia tia.
Efa tonga ny andro hifaranan’izany
Tsy maintsy drodroka ihany
Ka maniry hisotro ronono amin’izay
Dia hanan-tokantrano mba tena ahy
Satria ianao no tiako, tiako.
Ireny tantara fahiny rehetra ireny
Aoka izay mba tsy ho asiana teny
Fa fitiavana, fitia fohy dia fohy
Manangasanga fa tsy nitohy
Ny antsika ho kajiko ianao no tiako, tiako.
Fitiavana ho raketina ho boky
Tsisy resaka afa-tsy fifanomezan-toky
Ho feno sary, sarim-pahasambarana
Ny pejy farany hisy hoe: "mbola tsy mifarana"
Indray andro any fahafatesana ihany