Tongava mamangy ny tanana misy anay
Tongava aza misalasala ho’aho
Tongava manaraka ny arabe, zay mitondra mankany.
Ho adinonao daholo ary ireo sorisory
Ho adinonao daholo ary ireo tebiteby
Fa ny zavatra ho hitanao any
Lanonana miaraka am’reo akama
Tsy kobaka am-bava izy ity ry zalahy
Tsy kobaka am-bava toy ny kabary
Tsy kobaka am-bava nodradradradraina fa
Hirahiran’ireo bandy kely izay mitendry kabosy !
Manakoako daholo ireo lohasaha malaza mangina
Manakoako daholo ny ambanilanitra iray manontolo a !
Tsy mbola nahita ohatr’zany aho, tena marina ho’aho
Feona kabosy sy maracas dia mahavita an’izany
Tsy notambatambazina na noterena
Fa tonga daholo ny tao an-tanana
Niara-niredona ireo hirahira
Hirahira ataon’ireo bandy kely
Hirahira vokatry ny tany !
Velona am’zay ary ny lamako
Velona am’zay ary ny taralila
Miaraka amin’ny langoraona
Tsy mbola nahita ohatr’zany aho, tena marina ho’aho
Nanjary nisy bal tao an-tanana
Mandra-parain’ny andro ah !
Zay mitondra an’zareo handeha, handeha
Mandehana re, mandehana re !
Mandehana mankany amin’ny tanana misy anao
Mandehana aza misalasala ho’aho
Mandehana manaraka ny arabe
Hiverina daholo ary ireo sorisory
Hiverina daholo ary ireo tebiteby
Fa ny zavatra miandry anao any
Kandra be manadala ho’aho ry leirony ah