Noho ireo fahoriana sy ny fijaliana
Ka malok'endrika sy mila ho reraka
Nefa matokia fa Jesosy Kristy
Dia efa nandresy izao tontolo izao
Ilay fiainana eto ambonin'ny tany
Ka maro izay mivily diso safidy
Nefa hoy Jesosy, fa ny zanany
Sy ny asan'ny tananany dia adidin'ny ihany
Matokia an'i Mpamponjy izay Tia
Izay nanolotra ny ainy hoan'ny zanany
Ka matokia , matokia an'i Jesosy Kristy
F'izy tsy mandao antsika ho doria
Maro ireo sedra izay manafotra ny ainay
Ka mila anao izahay ry Zanahary ô
Ka hoy Jesosy, fa ny zanany
Sy ny asan'ny tanany dia adidin'ny ihany
Matokia an'i Mpamponjy izay Tia
Izay nanolotra ny ainy hoan'ny zanany
Ka matokia , matokia an'i Jesosy Kristy
F'izy tsy mandao antsika ho doria
Ka aza kivy re fa mitraka
Matokia an'i Jesosy ianao
Matokia an'i Mpamponjy izay Tia
Izay nanolotra ny ainy hoan'ny zanany
Ka matokia , matokia an'i Jesosy Kristy
F'izy tsy mandao antsika ho doria
A/C : RANDRIANARIJAONA Njakatiana Fabien (RNF)