Mijononoka moramora ny orana avy hariva
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany
Ka hitondra any ho any, any ho any, nefa aiza?
Aiza ho aiza, ry fanahy ? toa reraka manahy?
Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao?
Mihodikodina ao am-po, mihodikodina ao an-tsaina
Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
Matory izay rehetra manoloana ny masoko mahery
Ry fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
Dia ho fantatro avokoa izay rehetra hafenina ahy
Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany
Ka hatrao anatiko ao, tsy misy reko intsony,
Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra
Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
Mihamalemy moramora ilay orana avy hariva
Hamoha ny torimason’ ny lanitra sy ny tany
Avy any, nefa avy aiza? avy aiza ry fanahy
Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina