Ny zavatra atomboka rehetra
Dia hifarana hatreo amin’ ny fetra
Efa fantatrao, f’izay miandoha
Dia mbola hisy farany koa
Ny mateza dia tsy misy firy
Fa na misy aza, angamba dia kiry
Dia mihena ary koa mihavery
Satria, raha tonga amin’ ny fetra
Dia hifarana toy ny rehetra
Na ireo hira, na ny feo manga
Tsy hisalasala fa angamba
Rehefa lany ny tsirony mamy
Dia ho adino indray andro any
Hembonembona sisa hampitsetra
Hisolo hafa toy ny rehetra
Na rano mandeha eny an’ony
Tsy hitoetra ao, fa samy handalo
Handao toy ny zava-drehetra
Rehefa tonga ny andro voafetra.
Ilay fitiavana manga aok’izany
Noheverina fa tsy ho lany
Tamin’ ny andron’ny volan-tantely
Satria angamba izay niandohana
ka tsy maintsy hifarana ihany.
Mpihira : Ludger - Jeanne Naly